ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Nahasarika olona maro ny fanentanana amin’ny fiofanana nataon’ny CFP Ampasampito

Tonga maro be ireo tanora sy mponina tao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, namaly ny antso fanentanana izay nataon’ny avy amin’ny CFP Ampasapito, tamin’ny herinandro lasa teo mahakasika ny fampiofanana izay omen’ny ivon-toerana ao an-toerana.

« Naharitra roa andro no nanaovana ny fanentanana tety an-toerana izay fanentanana mahakasika ny fiofanana ao anatin’ny fotoana fohy ny apprentissage aux metiers de base, ao anatin’izany ny soudure, ny électricité, bâtiment ary ny opérateur de saisie. Noraisina anarana avy hatrany moa ireo liana tamin’izany » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Maro ireo mponina no miatady asa sy fiofanana, taratra izany izao famaliana ny antso amin’ny fiofanana arak’asa izao. Hisaorana feno ireo tompon’andraikitra satria vavahady misokatra ho an’ny rehetra izao » hoy i Roger, mponina ao Ambohimanga Rova.

Anisan’ny manampy betsaka ireo mponina, indrindra ny tanora amin’ny fitadiavan’asa ny fiofanana tahaka izao. Hanomboka tsy ho ela moa izany fiofanana izany, izay hiaraha-miasa amin’ny CEG Ambohimanga rova sy ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire