ActualitésTsidika

Toe-karena : Mitaraina ireo mpanjifan’ny banky iray

Nitaraina ireo mpanjifan’ny banky BFV noho ny tsy fangaraharagahan’ny fitantanana ny volan’izy ireo. Efa tao anatin’ny volana vitsivitsy izay no nitaraina izy ireo.

« Ny 05 Mars 2022 nijery « relevé du compte » teny amin’ny DAB BFV Analakely. Akory ny hagagana fa efa misoratra sahady ao anatin’ilay relevé du compte fa efa naka vola tao amin’ny kaontiko aho ny 7 Martsa. Ary tsy indray mandeha fa in-efatra naka vola tamin’io datin’ny 07 Mars io » hoy ity olona lasibatra naneho ny alahelony tao anaty tambajotran-tserasera.

« Miantso ny tompon’andraiki-panjakana izahay mba handray fepetra manoloana izao tsy fangaraharahan’ny fitantanana eo amin’ny BFV izao » hoy ireo mpanjifa. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena zava-misy marina ao amin’ity banky ity. Betsaka ny vola very. Tsara raha miditra an-tsehatra ny fanjakana foibe.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire