SocialTsidika

Madagascar National Parks : Manohana ny fiarovana ny faritra arovana

Manohana tanteraka ny fiarovana ireo faritra arovana ny Madagascar National Parks amin’ny ady atao amin’ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Manana ala sy ranomasina izay afaka mitroka ireo entona mangeja hafanana hoy ny avy ao amin’ny Green Energy Solution (GES). « Ny fiarovantsika ireo zava-boary ireo no manampy antsika hiady amin’ny fihafanan’ny tany » hoy ny Madagascar National Parks manamafy izany. Araka ny tatitra nataon’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny fivoaran’ny toetrandro na ny Groupements d’experts intergouvernemental sur l’évolution du climat (GIEC) nivoaka ny 09 Aogositra 2021, mety hiakatra hahatratra 1.5° C izany fihafanan’ny tany izany eo anelanelan’ny taona 2030 hatramin’ny taona 2052.

Ny fihafanan’ny tany dia tranga manerantany amin’ny fiovaovan’ny toetrandro izay miseho amin’ny fiakaran’ny maripana amin’ny ankapobeny mifandraika amin’ny asan’olombelona, ary manova maharitra ny fifandanjan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana.Antony mahatonga ny fiakaran’ny hafanana ny fampiasana ireo entona manimba ny tontolo, ireo doro-tanety maro samihafa.

Efa hita taratra hatrany izany fiantraikan’izany fiakaran’ny hafanan’ny tany izany, eo amin’ny tsy fahampian’ny rano sy ny sakafo ary indrindra ihany koa ny fiantraikany eo amin’ny toe-pahasalaman’ny olombelona. Ka miara-dalàna sy manentana ireo sehatra rehetra amin’ny fampihenana ny fipariahan’ny entona maloto sy manimba ny habakabaka sy ny atmosphere mba hanalefahana izany fiantraikany izany, hoy hatrany ny fanambaran’ny Madagascar National Parks.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire