SocialTsidika

Hisy ny fampirantiana ao amin’ny Hakanto Contemporary

Mikarakara hetsika fampiratiana ao amin’ny Hakanto Contemporary ny tale ara-kanton’ity trano fampirantiana ity amin’ny volana oktobra ho avy izao.

Miahy ny hizara ny sanganasa sy ny zavatra niainany i Joel Andrianomearisoa tale ara-kanto ny trano fampirantiana Hakanto Contemporary nandritra ny fitsidihana fohy ny fampirantiana « Beyond all you are mine » izay natao ny 13 aogositra lasa teo tetsy Ankadimbahoaka toerana misy ny trano fampirantiana izay. Ity fizarana natao tao amin’ny Hakanto Contemporary ity moa izay natao alohan’ny hanalana ireo sanganasa sy ahatongavan’ny fampirantiana ny sanganasa vaovao amin’ny volana oktobra. Sary sikotra mirefy 4 metatra ny haavony izay vita amin’ny « beton » sy vy no misy ny soratra hoe « beyond all you are mine »  izay mifandraiky amin’ny fametrahana ny seranam-piaramanidina vaovao eto Antananarivo.

Nilaza i Joel Andrianomearisoa fa na dia naharitra volana maromaro aza ny fametrahana ny fampirantiana dia mbola maro ireo mpisehatra amin’ny asa tanana vao misondrotra no tsy afaka mijery ity fampirantiana ity noho ny hamehana ara-pahasalamana indrindra fa hifarana ny faha-4 ny volana septambra ho avy izao ny fampirantiana ny « Beyond all you are mine », hisolo azy eo amin’ny volana oktobra ny « Ny Fitiavanay » izay niarahana tamin’ny mpanan-talenta miisa 26.

Efa miditra amin’ny sehatra matihanina koa ny asa tanana ankehitriny ary efa te mivoatra be ity sehatra ity na dia nisy aza ny krizy nateraky ny coronavirus dia mbola miarina hatrany ireo mpanao asa tanana amin’ny asan’izy ireo indrindra fa miha betsaka ny olona miditra amin’ity sehatra iray ity indrindra fa ny tanora. Ary mirary hatrany ny hiakaran’izy ireny amin’ny avo indrindra.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire