Tia mametraka fanamby ny olona te-handroso hatrany hatrany
Misy ny lavo ary misy ny mpandresy, izay foana ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fahombiazany anefa ny olona iray raha te ho lasa lavitra hatrany. Mitady hevitra ny handalinana sy hampivoarana ny zavatra teo aloha, izay no ataony. Traikefa maro avy amin’ireo sedra nolalovana no aterak’izany.
Nanana herin-tsaina sy herim-po ny olona iray vao nahomby teo amin’ny fiainany. Kanefa, dingana maro no nandalovany vao tonga tamin’izany izy. Manam-piniavana anefa ireny olona ireny ary tia manao fanamby hatrany mba ahazoany traikefa maro. Ny olona lasa lavitra no manana fahasahiana manao ny zavatra izay tsy sahin’ireo malemy sy osa atao. Tsy midika ho fireherehana akory izany, na koa hoe mora loatra ka hananan’izy ireo fahasahiana ; fa te-handroso sy ho lasa lavitra kokoa mihoatra noho ny teo aloha izy dia manao izany fanamby izany.
« Tia manao zava-baovao foana ny olona zatra mikaroka sy mahomby eo amin’ny fiainana » hoy i Cendy, mpianatra. « Ny fifantohana amin’ny zavatra izay ataony no laharam-pamehana eo amin’ireo olona mahomby fa tsy ny fananana traikefa maro » hoy kosa i Princia, mpianatra.
Manambara anefa i Jim Rohn, filozofa sarobidy indrindra ho an’ny orinasa amerikana iray, fa « izay mahomby no sahy manao izay tsy sahin’ny tsy mahomby atao. Aza miteny amin’ny tenanao hoe mora kokoa izany fa irianao ny ho lasa lavitra kokoa ». Raha hazavaina ny tian’ity filozofa ity ambara dia tsy tokony ho tsinotsiniavina ny ezaky ny tsirairay fa mitady ny tsaratsara kokoa ho azy izy.
Manoloana izany, ireo efa nahita fahombiazana tokony handroso hatrany ka hivoatra ho amin’ny tsaratsara kokoa, ary ireo sasany tokony hanara-dia azy ireo. Kanefa mbola sarotra ho an’ireo tsy manana tanjona sy filofosana izany raha tsy ao aminy ilay toe-tsaina te-hivoatra. Arak’izany ary, inona ny andraikitra mbola tokony ho raisina hanampiana ireo olona manam-piniavana sy ireo kivy amin’ny tsy fahombiazany ?
Miangaly Rasoamihajamanana
