SocialTatitra

Afrique du Sud : Miakatra ny tahan’ireo tsy an’asa

Raha 701 000 ny isan’ireo tsy an’asa tao Afrika Atsimo teo aloha, tafakatra 7,2 tapitrisa kosa izany amin’izao fotoana. Na izany aza, mampiseho ny fihenan’ny tahan’ireo olona tsy an’asa ny valin’ny tatitra natao tamin’ny telovolana faha efatra. Efa hananika ny 80% n trosam-bahoaka amin’ny harin-karena faobe amin’ity taona ity. 15 tapitrisa no niasa tamin’ny telovolana faha telo. Olona 8 tamin’ny 10 kosa no niasa nanditra ny fotoana fihibohana, araka ny filazan’ny masiovohom-pirenena momba ny antontan’isa. Nisy fiantraikany goavana ho an’ireo afrikana tatsimo ny fisian’ny valanaretina covid-19. Nametraka torolalana vaovao hanamafisana ny toe-karen’I Afrika Atsimo moa ny minisitry ny vola Tito mboweni ny alarobia 24 febroary lasa teo. Nanambara ihany koa ny filoham-pirenena afrikana tatsimo Cyril Ramaphosa fa tia hamorona asa vaovao ho an’ireo mponina ao an-toerana ny tenany. Raha tsiahivina, naharay famatsiam-bola avy tamin’ny Ford, mitentina 823 tapitrisa euro (manodidina ny 3 292 000 tapitrisa ariary) i Afrique du Sud. Io vola io no vinavinan’ny filoha-mpirenena any an-toerana ho ampiasaina hanorenana ny toe-karen’izy ireo.

Laisser un commentaire