Niger : Tranona mpanao gazety iray nisy nandrava
Maro ny herisetra niseho taorian’ny fifidianana filoham-pirenena natao tao niger ny talata sy alarobia lasa teo, ka nahalanian’I Mohamed Bazoum. Anisan’ireo lasibatry ny herisetra ny mpanao gazety iay Moussa Kaka. Noravana ny tranony ary may ny ampahany. Ny alakamisy 25 febroary no nanatanterhan’ireo mpanao herisertra io fandravana io. Ireo mpanohana an’I Hama Amadou, izay nanohana an’I Mahamane Ousmane, mpifaninana tamin’I Moussa Kaka tamin’ny fihodinana faharoa no ahihiany ho nanao ny fandravana. Tsy fantatr’ity mpanao gazety ity izay antony marina nandravan’ireo olon-dratsy ny trano fonenany. Raha tsiahivina, efa notanana tany am-ponja nandritra ny heritaona I Moussa Kaka ny 20 septambra 2007 ka hatramin’ny 23 jolay 2008. Fiahihina ny amin’ny fandriampahalemam-panjakana no antony nitazonana azy tamin’izany andro izany. Nanambara ny tao amin’ny “Radio france international” na ny RFI fa mpanao gazety ilay nifampiraharaha tamin’I Moussa Kaka taty ivelany tamin’izany fotoana izany. Nanohitohina ny fahalalahan’ny mpanao gazety izany, hoy hatrany izy ireo. Miantso ny ankolafy rehetra hifampiresaka sy handamina ny fifanolanana rehetra ny vondrom-piaraha-monina ara-toekarena any amin’ny fanjakana afrikana andrefana sy ny ONU. Manameloka mafy ny herisetra misy ao niger amin’izao fotoana izy ireo hoy ny mpitondra tenin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay.
