SocialTatitra

Somalie : Asha, mpitondra taxi vehivavy, tranga tsy dia fahita any an-toerana.

“Efa hatramin’ny mbola kely aho no tia fiara. Faniriaka tamin’izany ny ho lasa mpanamory rahatrizay. Tsy mbola nihevitry ny ho lasa mpitondra taxi kosa anefa aho. Nanapa-kevitra ny hiditra tao amin’ny orinasa taxi Rikaab kosa aho rehefa nisokatra tamin’ny taona lasa teo izy ireo. Mbola tsy nisy mpanamory vehivavy ihany koa tao amin’izy ireo ireo. Noraisiko ho toy ny varavarana misokatra ho ahy izany.” Hoy I Asha tamin’ny mpanao gazetin’ny Africa News. Efa herintaona izao no nanaovan’I Asha io asa fitondrana taxi io. Ambany ny tahan’ny vehivavy sahy misehatra amin’io asa io ao Somalie noho ny antony ara-pandriam-pahalemana. Tena mbola natokana ho an’ny lehilahy ihany ny asa fitondrana taxi any an-toerana. Misy lafin-tsarany ihany anefa izany asa izany ho an’ny vehivavy hoy I Asha. Atokisan’ny mpandeha kokoa ny vehivavy noho izy ireo tonga ara-potoana sy mitandrina tsara rehefa eny an-dalana hoy ny mpandeha iray. Misy amin’ireo mponina ao Somalie no tsy miakatra mihitsy raha vao lehilahy no mitondra ilay taxi. 40 dolara (manodidina ny 12 000 ariary) isan’andro no azon’I Asha amin’ny asa fitondrana taxi ataony. Ampy hiantohany ny fiainan’ny fianakaviany izany rah any nambarany. Anisan’ny faniriany ihany koa ny mba ahafahan’ireo vehivavy ao Somalie hanana fijery mivelatra kokoa mahakasika ny fitadiavana asa. Tsy misy asa ratsy izany hoy izy.

Laisser un commentaire