Nigeria : Niaiky ny fanafihana nataony tamin’i Maiduguri ny Boko Haram.
Nilaza ny mpitarika ny vondrona mpampihorohoro Boko Haram, Abubakar Sehkau fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Maiduguri, tanàna avarattra atsinanan’I Nigeria ny talata 23 febroary lasa teo. Olona tsy latsaky ny 16 no maty nandritra io fanafihana io raha araka ny horonantsary fampielezana navoaka ny alakamisy 25 febroary. Nanambara ny hafaliany tamina horonam-peo niaraka tamin’ilay horonantsary navoaka ny mpitarika ny vondrona Boko Haram. “Nampahafatarina anay fa nanao fanafihana ireo ralahinay ny talata teo tao Maiduguri” hoy I Abubakar Sehkau. Tsy nanome ny andinindininy mahakasika ilay antom-panafihana anefa izy. “Faly izahay hoe ny olona miaraka aminay ihany no nanao io fanafihana io” hoy izy nanampy. Tsy vao izao ny vondronda mpampihorohoro Boko Haram no manafika ny fanjakan’I Borno izay ahitana an’I Maiduguri. Hatramin’ny niantombohan’ny tsy fifankazahoana misy eo amin’ny fanjakana isalmika, maherin’ny 36 000 ireo olona efa maty. Mitotaly ho 2 tapitrisa kosa io olona mbola tsy afaka miverina amin’ny toeram-ponenany amin’izao fotoana.
