Cameroun : Mitaky ny rariny ho azy ireo ny mpifankatia mitovy fananahana.
Camerounais 9 ahihina ho nanao firaisan’ny lahy samy lahy no voasambotra tany andrefan’I Cameroun, tamin’ity volana febroary ity. Nosamborina tao amin’ny foiben’ny fikambanan’I Colibri ireo olona ireo. Anisan’ny tena iandraiketan’io fikambanana io ny fikarakarana ireo olona mitondra ny tsimon-karetina VIH. 7 amin’izy ireo kosa no efa navotsotra raha ny fanazavana. Mahalana amin’izao fotoana ny fisamborana ireo lahy samy lahy miaraka ao Cameroun tao anatin’ny taona vitsy izay raha toa ka matetika izany teo aloha. Antony mampirongatra indray ny tranga fiarahan’ny lahy samy lahy any an-toerana. Raha tokony tamin’ny 10 febroary lasa teo ny fotoam-pitsarana ireo olona voasambotra ireo, nahemotra ho amin’ny 10 martsa izany nohon’ny toe-javatra mifandray amin’ny valanaretina covid-19. Voarara tanteraka ny firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ao Cameroun. Voarakitra ao amin’ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina fa misazy antranomazina enim-bola ka hatramin’ny 5 taona izay minia mbola manao izany any an-toerana. Eo ihany koa ny fandoavana onitra mitentina 300 dolara (manodidina ny 1 200 000 ariary) ho an’izay tratra. Tsy manaiky ny fisamborana ankitsy rano atao azy ireo anefa ireo “homosexuelles”. Misy ny milaza fa manana mpisolo vava maherin’ny 10 vonona hiaro azy mandritra io fitsarana amin’ny 10 martsa io.
