ActualitésTatitra

France : Hiova ny « homologation» mikasika ny aroloha na hoan’ny mpamokatra na ho an’ny mpivarotra

Foanana ny « certification ECE 22.05 » ho an’ny aroloha izay tsy maintsy nisy efa ho 15 taona lasa izao. Hisolo 22.06 izany manomboka ny volana jolay izao. Fitsipika vaovao mifanaraka kokoa amin’ny fifamoivoizana ankehitriny no anton’io fanaovana io raha ny fampitana.Hisy fanatsarana manokana ny fahamafisan’ny aroloha eo amin’ny lafiny rehetra. Mametraka ihany koa io « homologation» vaovao io fa ho asiam-panovana ny « visière » izay tsy tokony ho vaky, hiova endrika, hitsonika ary hiala amin’ny aroloha. Ankoatra izay dia tokony hahazaka fiantraikana bala vy manana hafainganam-pandeha 60 metatra isan-tsegondra ihany koa io aroloha io.Hitondra fahamafisana sy fiarovana mafimafy kokoa ny mpitondra kodiarandro noho izany ny 22.06.

Laisser un commentaire