Ambohimanambola : Maro ireo sehetra manome lanja ireo mpitia mozika
Sehatra miroborobo ary mahaliana ny tanora amin’izao fotoana izao ny sehatry ny zava-kanto sy ny mozika. Anisan’ny ahitana sehatra maro, manome vahana ny tanora liana amin’izany ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Misy ireo « studio » fandraisam-peo sy fanaovana fanazarana ao an-toerana, toy ny ao amin’ny fokontany Ambohimanambola tanàna sy ao Mahatsara.
« Mba hanampiana ireo tanora na olona tia mozika, maniry hihiditra studio kanefa tsy mahafantatra na tsy manana fahafahana handeha alavitra amin’izany indrindra no antom-pisian’ny toerana. Maro ireo zavatra azo atao sy hifanarahana araka ny filàn’ny tsirairay avy ary amin’ny sarany mirary ny hofan’ny toerana » hoy ireo tomponandraikitra misahana studio iray.
« Tena ilaina ety amin’ny tanàna ny toerana tahaka izao, izay tsy dia fahita firy. Teo aloha tsy maintsy miakatra an-drenivohitra na mivoaka ny ny kaominina vao mahita studio, ankehitriny kosa tsy mila mandeha alavitra intsony fa vita ety ihany ny famerenana » hoy i Safidy, mpanao mozika.
Anisan’ny mitondra fampivoarana tsikelikely anaty kaominina ny sehatra tahaka zao. Ny famaliana ireo filàn’ny tanora tokoa dia anisan’ny zava-dehibe. Toa izany ihany koa ny eo amin’ny lafin’ny fanatanjahantena, izay mila jerena ihany koa.
Manitra Ramanantsoa
