ActualitésTatitra

Turquie : Tovovavy avy any Syrie no nametraka ilay baomba niteraka korontana tao an-toerana

Raha tsiahivina dia nisehoana fipoahana baomba nahafaty olona enina tao Istanbul ny alahady teo. Efa fantatra fa vehivavy no nanatanteraka io asa fampihorohoroana io saingy nilaza ny tompon’andraikitra tao an-toerana fa teratany Syrianina izy, ary iraky ny PKK (Parti des travailleurs du Kurdistan).

Tao amin’ny trano iray tao Kucukcekmece, ao Istanbul no nisamborana io tovovavy io niaraka tamin’ny olona maromaro. Nikasa nitsaoka an’i Turquie hiazo an’i Grèce izy tamin’izany fotoana izany. Manodidina ny 40 kosa ny olona nosamborina taorian’ny tranga fanafiahana tao amin’ny lalan’i Isrtiklal hoy ny minisitry ny atitanin’i Turquie, Süleyman Soylu. Nampita hafatra ho an’i Turquie ireo mpampihorohoro hoy io tompon’andraikitra ary ho valian’ny firenena amin’ny fomba matanjaka indrindra izany.

Laisser un commentaire