ActualitésTsidika

Perform-AUF : Efa misokatra ny fisoratana anarana

Fiofanana natokana ho an’ireo mpampianatra amin’ny sekoly sy ivontoeram-panofanana miankina amin’ny fanjakana, enti-manatsara ny fampiofanana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny Perform-AUF.  Ny taranja, kajy, fizika, frantsay ary kajimirindra no voakasik’izany. Diana, Sava, Anlamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Haute Matsiatra, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Atsimo Andrefana, Ihorombo kosa no faritra hisitraka izany.

Efa misokatra ny ny fisoratana anarana ao amin’ny rohy : https://bit.ly/3uBDnGk ary tsy hifarana izany raha tsy ny faran’ny volana aprily izao.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire