ActualitésTsidika

Fanafarana vaksiny Janssen

“Ho atao faran’izay haingana ny fanafarana vaksiny Covishield andiany faharoa” hoy minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Rakotovao Hanitrala Jean Louis ny alatsinainy teo teny amin’ny CSB II Ambohidroa. Nambarany tamin’izany ihany koa fa manao ezaka ny ahazoana vaksiny Janssen na Johnson Johnson ihany koa ny ministera ankehitriny.

Raha tsiahivina dia nanomboka ny 10 mey teo ny fanatanterahana ny fanaovam-baksiny andiany voalohany tamin’ny Covishield ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo zokiolona. Araka ny fanazavan’ny sampana pharmaco-vigilence dia olona 200 tamin’ny 197 000 ny fatra voalohany no nampiseho tranga tsy niriana. Efa miandry ny fatra faharoa kosa ankehitriny ny be sy maro ary nanamafy ny praiminisitra fa “ho tonga ny volana aogositra izao ny vaksiny andiany faharoa”.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire