ActualitésTsidika

“Festival Tria tria” andiany faharoa

Anisany andrasan’ny maro any amin’ny faritra avaratra iny ny lanonana tahaka ity Tria tria ity. Ny tanànan’I Antalaha no hisitraka izany araka ny fampielezana nataon’I Big Mj izay mpanatontosa ny hetsika. Hetsika nampitondraina ny anarana hoe “Tria tria” izay lohatenin’ny hirany ihany. Efa misy isan-taona ity hetsika ity ary ny fahafahana manatanteraka hetsika indray ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana no ahafahana manatontosa azy indray.

“Tanàna kely milamina any amin’ny faritr’i Madagasikara any i Antalaha. Tanjon’ity hetsika ny famelombelomana ny tanàna sy ny famporisihana ireo tanora ao an-toerana aneho ny talentany, sy tsy ahatahotra iakatra sehatra” hoy ny fanazavana nentin’ity mpanakanto ity. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ireo mpanakanto vao nisandratra nefa tsy ambakan’ny hafa. Anisany andrasan’ny maro any amin’ny faritra avaratra ihany koa ny hetsika fataon’i Wawa araka ireo olona noadiadiana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire