Tontolon’ny fampianarana: Manome vahaolana ny Kintana Net
Namoaka tatitra amin’ny horonan-tsary « reportage video » ny Kintana Net ho fanampiana ireo ao amin’ny kilasy mpanala fanadinana.Ny tanora no hoavin’ny firenena. Ilaina tokoa araka izany ny manampy ireo ankizy sy tanora eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Indrindra amin’izao fivoaran’ny teknolojia izao, afaka trandrahana tsara ny fampiasana ireo fitaovan-tseratsera ireo. Izany indrindra no antony nanaovan’ny Kintana Net izay rafitra ao amin’ny sekoly Fitarikandro ity famoahana tatitra amin’ny horonantsary ity. Horonantsary izay mirakitra ireo lesona rehetra mandritran’ny taom- pianarana. »Nandritra ny fidinana tany Morondava dia hitanay fa misy sekoly izay mpampianatra iray no manao ny taranja rehetra ao am-pianarana. Misy ny tsy fahombiazana arak’izany ary mitera-doza ny valim-panadinana ofisialy. Mba hanomezana vahaolana dia nanandrana namolavola sary mihetsika miaraka amin’ny sary sy lahatsoratra izay efa nanaovana andrana teto Antananarivo izahay. Hitanay fa nahaliana an’ireo mpianatra izany ary nahasarika ny sain’izy ireo. Nanapa-kevitra ny hanao tsara kokoa izahay avy eo, tamin’ny famokarana tatitra an-tsary izay mampivelatra ny lesona amin’ny kilasy faha-7, faha-3 ary farany. Voaporofo fa na ny ankizy kilasy 10 sy 9 aza dia afaka mianatra momba ny tantaran’i Madagasikara, noho io vahaolana io « , hoy Tsiry Radonason tale mpanorina ny Fitarikandro.Fitondrana zava-baovao toy izany no ilain’ny Madagasikara. Hevitra mitondra fivoarana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ary hampiakatra ny taham-pahafaham-panadinana any amin’ireo sekoly izay tsy manana mpampianatra na tsy ampy mpampianatra. Maro ny mpampianatra FRAM no mimenomenona fa tsy misy asa, hita eto anefa fa misy toerana tsy misy mpampianatra. Ny mpampianatra ve izany no kamo ho an’ny ambanivohitra sa kosa ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny DREN mandrakotra ireo kaominina ireo no tsy miasa saina amin’izany. Mila jerena ifotony izao fa mety tsy ho araky ny Kintana Net daholo ny misahana izay sekoly sahirana manerana ny Nosy.
Tsangy Randriamampianina
