ActualitésTsidika

Nahazo fitaovana maro ho fiadiana amin’ny aretina covid-19 i Madagasikara

Nanolotra fitaovana famendrahana fanafody miisa 60 sy fitaovana fanasana tanana amin’ny rano sy savony ary savony 34 baoritra sy siny 60 amin’ny 20 litatra hoan’ny Ministeran’ny RAno sy ny fanadiovana sy ny fidiovana ny vahoaka Amerikanina amin’ny alalan’ny tetik’asa Rano Wash (Rural Access to New Opportunities in Water, Sanitation and Hygiene) eto Madagasikara.Ireo fitaovana ireo dia natolotr’izy ireo ho fanamafisana ny ady amin’ny valanaretina covid-19 ary hiarovana amin’ireo areti-mifindra hafa,amin’ireo faritra enina eto Madagasikara : Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Vakinakaratra ary Vatovavy Fitovinany. « Ao anatin’ny dimy taona, mitentina 30 tapitrisa dolara ny vola hampiasanay hanatsarana ny fahazoana rano ho an’ireo olona aman’arivony avy amin’ireo kaomina ambanivohitra 250, ao anatin’ireo faritra enina eto Madagasikara, izay misedra tsy fahampian-drano fisotro madio tao anatin’ny fotoana maharitra. hoy ny fanamarihana nataon’ny tompon’andraikitra ny tetikasa.Nanatrika izany fotoana izany ny Ministry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Voahary Rakotovelomanantsoa, ny Tale lefitra ao amin’ny tetikasa Rano Wash, ary ny Tale Mpisolo toerana ny biraon’ny Fahasalamana sy ny Mponina ary ny Fanjariantsakafo ao amin’ny USAID. « Izao fanomezana avy amin’ny famatsiam-bola ho an’ny hamehana mitentina 2,5 tapitrisa dolara izao dia tafiditra hatrany ao anatin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta Malagasy sy Amerikanina roa tonta nanomboka tamin’ny taona 2020 mba hanohanana ny fanoherana ataon’ny Fanjakana amin’ity valanaretina COVID-19 ity » hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitera ny Rano sy Fahadiovana ary Fidiovana. Efa voazara tany amin’ireo faritra tena voa mafy tamin’ity valanaretina ity ireo fitaovana ireo.Manamafy hatrany fa ny fitandreman’ny olona tsirairay sy ny fanajan’izy ireo ny fepetra sakana ara-pahasalamana no fisorohana lehibe indrindra amin’ny ity aretina ity.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire