Fifaninana « Talenta contest » : i Betia Herimalala no nibata ny loka
Betia Herimalala no nandresy ilay fifaninanana « Talenta contest » nokarakarain’ny Airtel Madagascar sy ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM). Fanohanana ara-bola amin’ny fanatontosana ny raki-tsarin’ny hirany (clip) no loka azony tamin’izany.Raha tsiahivina, ny volana Jona, no nanomboka teny amin’ny tambanjotran-tserasera ity fifaninanana ity, ary tanjona amin’izany ny hanohanana ireo tanora Malagasy mpihira manana talenta amin’ny fihirana. Noho ny maha mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana dia fifaninanana nomerika no notanterahina. « Ny fepetra sy ny fizotry ny fandraisana anjara dia nahitsy. Nandefa hira tany am-boalohany tamin’ny endrika horonan-tsary, tamin’ny teny Malagasy ireo kandidà » hoy i Anna Ratsimbarison, mpitantana ny serasera sy ny mpanohana ny Airtel Madagascar. Betia Herimalala, Ahary ary Tovoniaina Jean no mpifaninana telo hita niavaka tamin’ny « Talenta Contest ».Mahafinaritra sy tsara ny fanohanana ireo tanora toy izao.Ny kanto dia sehatra iray afahan’ny tanora mivoatra mba hialan’izy ireo amin’ny hakamoana izay mitarika fahazaran-dratsy.
Sitraka Rajaonarivony
