ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy mpitsabo homamiadana iray no namono tena

Vehivavy mpitsabo homamiadana antsoina hoe Krystal Cascetta, 40 taona no namono tena tao an-tranony rehefa avy namono ny zanany menavava. Monina ao Somers ao New-York ny tenany sy ny vay aman-janany. Raha ny fanazavana dia notifiriny ny basy ny zanany ary taorian’izany dia namno tena ihany koa i Krystal Cascetta.

Mpiara-monina tamin’izy ireo no niantso ny manam-pahefana rehefa nahare ny feom-basy. Rehefa tonga tao an-toerana ny polisy dia ny vata-mangatsiakan’izy mianaka no novantanin’izy ireo. Namela manano tena antsoina hoe Tim Talty i Krystal Cascetta. Mpitsabo homamiadana tao amin’ny hopitaly Mount Sinai ao New York kosa ny tenany raha ny fanamafisana.

Mbola tsy fantatra mazava ny anton’io fihetsika nataon’i Krystal Cascetta io ary tsy namela hafatra izy raha ny tatitra.

Laisser un commentaire