Ento mora ihany ny fety
Fety tokoa ny andro ka samy manao izay mahafalifaly azy daholo ny olona ary tsy natao sakana ny aretina Covid-19. Izany namintina ny Alatsinain’ny Paska teo amintsika. Niakatra ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana nandritra izany, teo ny vokatrin’ny tsy fitandremana, teo ihany koa ny vokatrin’ny alikaola sotroina. Raha ny tany Ambatondrazaka manokana izao, olona iray no maty vokatrin’ny lozam-pifamoivoizana ny harivan’ny Alatsinain’ny Paska teo. Moto anakiroa no nifanena izay samy nandeha mafy ary nifandona aveo ka izao tra-doza izao. Nandriaka ny ra raha olon-droa lahy sy vavy ny tamin’ny anakiray, lehilahy iray izay tena naratra mafy tokoa ny tamin’ny moto hafa. Tsy tana intsony ny ain’ilay naratra mafy noho ny tonga teny amin’ny tobim-pahasalamana vokatr’ireo ra very be loatra. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy kosa ireo olona roa hafa naratra. Tetsy an-kilany kosa, tovolahy tokony ho 20 taona teo no latsaka avy eny ambony tohatra ny harivan’ny Alatsinainy ny paska ihany koa teny Avaradrova Avaratra. Tsy maty akory izy fa efa noentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana. Vokatrin’ny fisotroana zava-pisotro mahamamo no nahatonga izao loza izao. Na fety aza ny andro, lahitokana ny aina ka aleo mitandrina lalandava amin’ny fiainana.
Nicole Rafalimananjara
