Social

Miroborobo ny tahampamoronana asa

Mahaliana olona maro ankehitriny ny famoronana asa. Mahatonga izany ny tahan’ny fahaverezan’asa izay niatomboka tamin’ny taona 2020. Mety ho anton’izany ihany koa ny fanentanana maro samihafa mahakasika ny tontolon’ny mpandraharaha sy ny asa fihariana. Tsikaritra ho niroborobo io famoronana io nanomboka tamin’ny fisian’ny fifaninana tetikasa “fihariana”, izay veliranon’ny filoham-pirenena. Tsy nitsahatra nitombo io fihariana io na teo aza ny fihibohana sy ny valan’aretina mahazo ny firenena. Maro ireo tanora no manomboka misehatra tsikelikely amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Ny fanadihadihana nataon’ny mpiandraikitra io sehatra io (Economic Development Board of Madagascar) fantatra amin’ny hoe EDBM no nahitana fa nisy fiakarany 8,3% ny famoronana orinasa teto Madagasikara ny taona lasa teo. Midika izany fa nisy ny ezaka maro amin’ny fananganana orinasa nandritra izay fotoana izay. Raha ny fandihadihana nataon’izy ireo ihany, nisy fivoarana hatrany amin’ny 60% ny isan’ny orinasa niforona ary efa mijoro sy miroborobo soamantsara ankehitriny. Iankinan’ny toekarena Malagasy ny fanodinana ny vokatra anatiny, tokony hitombo tokoa araka izany ny famokarana entana avy eto an-toerana. Fa anisan’ny tombotsoa azo raisina avy amin’izany firoboroboana izany ihany koa ny fanomezana asa ho an’ireo izay tsy an’asa. Rehefa mandroso mantsy ny orinasa iray, azo antoka fa tsy maintsy misy ny olona antsoina hiara- hiasa. Tsikaritra fa ny sehatra ara-barotra no be mpamorona indrindra ankehitriny. Mila hampitomboana hatrany ny ezaka amin’io sehatra io mba hahatonga an’i Madagasikara ho mahaleo tena ara-toekarena sy mba hampisongadina ny vokatra Maalagasy izay hita fa mihen-danja ankehitriny.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire