SocialTatitra

Allemagne : Nanafoana ny fihibohana mandritra ny vanim-potoan’ny paska i Angela Merkel

Tsy nankasitrahan’ireo mponina tao Allemagne ny fanapahan-kevitra noraisan’ny firenena manoloana ny hisian’ny fihibohana mandritra ny vanim-potoan’ny paka. Nahatsapa ny fahadisoany arak’izany ny chancelière ao an-toerana, Angela Merkel, ary nanambara ny fanafoanana izany ny alarobia 24 martsa. Efa tafiditra amin’ny onja fahatelon’ny valanaretina coronavirus i Allemagne amin’izao fotoana. Tena ilaina hoy i Angela Merkel ilay fihibohana 5 andro novinavinaina hatao saingy tsy ahavita hanohitra firy ny aretina. Tsy misy araka izany ny fanakanana ny fivarotana sy ny famarotana entana ao Allemagne mandritra ny vanim-potoan’ny paska. Afaka mandeha mivavaka ihany koa ireo kristianina amin’io andro io saingy mbola mipetraka hatrany ny fanajana ireo rafitra rehetra hiadiana amin’ny valanretina coronavirus mba hisorohana ny mety mbola hipariahany. Ny covid-19 izay efa tena mahazo vahana tokoa ao an-toerana.

Laisser un commentaire