SocialTatitra

Egypte : “Robot” mitily ny valanaretina covid-19

Isan’ny manome lanja ny fitiliana ireo olona mitondra ny tsimonkaretina covid-19 ny hopitaly tsy miankina iray ao Tanta, ao amin’ny delta du Nil, Egypte. Arak’izany, namolavola robot iray izy ireo hanampy amin’ny fitiliana ireo marary. Mbola andrana ihany aloha hatreto no ataon’i Mahmoud el Koumi, manam-pahaizana nisahana ny fanamboarana io robot io. Tanjony ny mba ahafahan’ny mpitsabo maka aina manoloana ny fahafenoan’ny toeram-pitsaboina ao an-toerana. Eo ihany koa ny hampihainana faran’izay tratra ny fifampikasohan’ny olona tsirairay. Namboarina manokana hifanaraka amin’ny fanaovana test PCR io robot io ary nokendrena mba tsy aharary ireo olona tiliany ny fihetsika ataony, amin’ny alalan’ny famolavolana manokana ny “intelligence artificielle” natsofoka ao aminy. Efa maherin’ny 196 000 ireo olona mitondra ny tsimonkaretina covid-19 ao Egypte amin’izao fotoana. 11 637 kosa ireo maty. Maminavina ny ahavita hanao vaksiny mponina 35 tapitrisa amin’ny 100 tapitrisa kosa ny filoham-pirenena Abel Fath Al Sissi.

Laisser un commentaire