République du Congo : Lany tamin’ny fiodinana voalohany indray i Denis Sassou-Nguesso
Lany tamin’ny isam-bato 88,57% i Denis Sassou-Nguesso nandritra ny fiodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ao Congo Brazzaville, raha araka ny antontan’isa vonjy maika navoakan’ny minisitry ny atitany tao an-toerana, ny talata 23 martsa lasa teo. 77 taona andriamatoa Nguesso amin’izao fotoana ary nitondrany sy nanasoavany ny vahoaka tao Congo avokoa ny 36 taona niainany. Nahazo isam-bato 7,84% kosa i tompokolahy Kolélas izay nodimandry andro vitsivitsy izay. Mbola miandry ny valin’ny fanadihadiana nosokafan’ireo frantsay manoloana ny nahafatesan’andriamatoa Kolélas ihany koa ireo mponina ao Congo amin’izao fotoana. Isan’ny mamim-bahoaka ity mpifanandrina tamin’andriamatoa Nguesso ity. Mampametra-panontaniana ny avy eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ao an-toerana araka izany ny antom-pisian’ny elanelana lavitra eo amin’ny isambaton’ireo mpifaninana.
