ActualitésTatitra

Iran : Nanamafy ny fepetra mifehy ny fisehoan’ny vehivavy tsy misaron-doha ireo polisy

Sarotiny amin’ny fombafombany i Iran. Nanomboka ny volana aprily teo dia nametraka paikady vaovao hanamafisana ny fifehezana ny fanaovan’ny vehivavy misaron-doha « hijab » ny polisy tao an-toerana. Marihana fa tsy maintsy nisaloran’ireo vehivavy ao an-toerana izany nanomboka tamin’ny « Révolution islamique » tamin’ny taona 1979.

Nanomboka ny taona 1983 dia lasa lalàna velona tao Iran ny fanaovan’ny vehivavy «hijab» ary nanomboka hentitra ny famparahana izany. Mahatsikaritra nefa ireo manam-pahefana fa amin’izao fotoana dia miha sahy manala ny saron-dohany eny imason’ny daholobe ireo vehivavy, indrindra taorian’ny nahafatesan’i Masha Amini noho io antony io ny volana septambra 2022 teo.

Manoloana izany dia nanamafy ny fepetra ny polisy, nakatona avokoa ireo toeram-pivarotana manaiky ny tsy hanaovan’ny mpiasany « hijab » ary izay mandika ny lalàna ihany koa dia hosaziana amin’ny lamandy sy ny fampidirana am-ponja.

Laisser un commentaire