Ankadikely Ilafy : Ho avy ny fistarana miaramila ho an’ny taona 2023
Hisy ny fitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Natao ho an’ireo tanora lahy sy vavy manerana ny kaominina sy tsy mbola navita izany ity hetsika ity, indrindra ireo avy amin’ny kaominina manodidina, raha ny voalaza.
Ho tanterahana ny alakamisy 01 jona sy sy zoma 03 jona ny fitsarana miaramila eto amin’ny kaominina. Hanentanana ireo tanora feno 19 ka hatramin’ny 31 taona ho avy hanatanteraka izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tsara ny manamarika fa ireo izay nahazo ny attestation de révison tamin’ny fitsarana miaramila tamin’ny taona 2020 dia mila miverina mitsara raha mbola ao anatin’ilay salan-taona hatrany » hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe eo amin’ny fikarakarana atontan-taratasy manamarina ny mahaolom-pirenena malagasy ny fanatanterahana ny fitsarana miaramila. Penina manga sy karapanondrom-pirenena moa no entina manatanteraka izany.
Manitra R.
