Torohevitra: Fomba natoraly hitsaboana ny « sciatique »
Mety ahavoa ny tanora na ny efa nahazo taona ny « sciatique », izay fanaintanana lalina mihandray amin’ny retsika ao amin’ny fitombenana, midina any amin’ny tongotra.
Ireto misy toro-hevitra vitsivitsy, ary fomba natoraly afaka hitsaboana izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny ronono sy ny tongolo gasy, izay mampitony « inflammation », tsy mampitohana ary madamina ny fandevonan-kanina izay antony mampihetsika ny « sciatique » ireo tranga roa ireo.
Tongolo gasy hasiny 4 na 5, ronono 200ml no ilaina ary afaka asina tantely ihany koa. Misy fomba roa afaka hikarakarana azy; voalohany, voasana ny tongolo gasy dia totoina na tetehina madinika mba hivoahan’ny otrikaina ao anatiny. Tapohina ronono dia afanaina amin’ny afo antonony fa tsy ampangotrahana. Avea ho matimaty dia sotroina, afaka asina tantely kely raha tiana.
Fomba faharoa, alona ao anaty ronono efa masaka mangatsiaka mandritra ny roa ora farafahakeliny ny tongolo gasy efa voatoto dia sotroina. Antony hanaovana izany mba ampivoaka sy ampifangaro ny ronono sy ny otrikaina ao anatin’ny tongolo gasy.
Sotroina isan’andro mandrapahatonin’ny fanaintanana izany.
Manitra Ramanantsoa
