ActualitésTatitra

Etats-Unis : Inona moa ny « Clio Awards » ?

Ny « Clio Awards »  na « Trophées Clio » dia fanolorana valisoa ireo sangan’ny fanavaozana (innovation) sy ny fahaiza-mamorona amin’ny dokam-barotra sy ny famolavolana tefibika ary ny fiseraserana. Tontosaina isan-taona izy io ary mpitsara iraisam-pirenena manam-pahaizana manokana momba ny dokam-barotra no miandraikitra ny fitsarana.

Talen’ny dokam-barotra tao New-York tany amin’ny faran’ny taona 1940 tany antsoina hoe Wallace A. Ross no namorona io hetsika io. Misy karazam-balisoa hafa kosa mandritra io Clio io izay hatolotra ireo nanao ezaka ara-barotra tamin’ny sokajy manokana : Clio Cannabis, Clio Entertainment, Clio Fashion & Beauty, Clio Health, Clio Music ary Clio Sports.

Laisser un commentaire