ActualitésTatitra

Mayotte : Vinavinaina hisokatra ny volana novambra izao ilay tranom-barotra lehibe ao Combani

Mandroso ny asa fanamboara na ny tranom-barotra lehibe ao Combani. Vinavinaina hisokatra any amin’ny volana novambra amin’ity taona ity izany. Raha tsiahivina dia vola 45 tapitrisa euros no tombatombana ahavitana io tetik’asa io izay ahitana toeam-pisakafoana, banky, orinasa mpiantoka, toeram-pivarotana, fanaovana fanatanjahantena…

Efa mamarana ny dingana voalohany amin’ny fanamboarana kosa ireo tompon’andraikitra. Efa tafapetraka kosa ny tafo sy ny « charpente » amin’ny trano ao an-toerana ary efa nisy namandrika sahady ny 90% amin’ny tsena ao amin’ny tranom-barotra raha ny fanazavana. Miditra tsikelikely amin’ny dingana faharoa kosa ireo tompon’andraikitra dia ny fanorenana trano 1 130m² sy toerana ho atao birao 2 100m² iray.

Laisser un commentaire