Fiaraha-miasa hiadiana amin’ny Covid-19.
Manomboka feno indray ankehitriny ireo hopitaly mandray mararin’ny Covid-19 manerana an’i Madagasikara. Raha ho an’ny eto Antananarivo izao, tsikaritra fa mihamitombo indray ireo olona tonga milahatra manao fitiliana eny andohatapenaka. Isika ihany koa efa manomboka tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ny Covid- 19 ankehitriny. Tsy mitsahatra mandray marary ihany koa ireo hopitalim-panjakana amin’izao fotoana izao. Mety ho anton’ny fiakaran’ny taham-pahafatesana ny tsy fahampian’ny fitaovana hoenti-miady amin’ny valan’aretina. Na eo aza ny maha marefo ny olona ahitana ny tranga mampiseho fahasarotana. Izany indrindra no nanoloran’ny fanjakana sinoa fitaovana indray ho an’ny hopitaly 4 eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sinoa sy ny sehatry ny fahasalamana. Manamafy izany fiaraha-miasa izany ankehitriny ny eo anivon’ny minisitera sy ny masivohon’i Sinoa amin’izao ady amin’ny valan’aretina izao. Efa nanampy betsaka ny mpiasan’ny fahasalamana Malagasy ihany koa ny mpitsabo sinoa tamin’ny volana novambra lasa teo. Tena ilaina tokoa ny fiaraha-miasa amin’izy ireo na ara-pitaovana na amin’ny fandraisana an-tanana nohon’ny efa nanany traikefa tamin’ny fifehezana ny valan’aretina.
Fanilo Rarivoarilala
