Comores : Voafidy ho filohan’ny ligy ao Mwali i Nousfane Bacar
Notendren’ny federasiony ny baolina kira ho filohy ny ligy ao Mwali i Nousfane Bacar ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina dia efa roa herinandro lasa izao no nampiatona an’i Badirane Aboutoihi sy Kambi Ali Mdere filoha sy ny filoha lefitry ny ligy teo aloha noho ny fitsabahana sy fanararaotam-pahefana.
62 taona i Nousfane Bacar amin’izao fotoana. Avy ao Wanani izy ary tsy voalohany no hisahaniny io andraikitra maha filoha io. Efa mpikambana tao amin’ny CEN sy ny FFC ihany koa izy nandritra ny fitantanan’i Tourqui Salim tamin’ny taona 2015 hatramin’ny 2019 ary efa nitarika ny CCA (Commission Centrale des Arbitres).
