ActualitésTsidika

Antananarivo Renivohitra : Entina hanatsarana ny tolotra fizahantany eto ny tetik’asa « lalan-kely III »

Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny tetik’asa lalan-kely III eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Ny fanamboarana sy fanarenana ireo simba eny amin’ny « Haute ville » eny no hanombohana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana sy fanarenana foto-drafitr’asa 29 ahafahana mivezivezy, ahitana lalankely 19, tohatra 06 ary lakan-drano 04.

« Nisantarana izany tamin’ny asa natao izany ny manodidina sy ny lalana mitondra makeny amin’ny toerana misy ny Zones de Protection du Patrimoine Architectural Urbain et Paysager (ZPPAUP). Noraisina manokana iny toerana iny ahafahana manome lanja ny lafiny kolontsaina sy fizahan-tany eto Antananarivo amin’ny alalan’ny famerenana ho toy ny voalohany ireny faritra ireny indray, izay mampiavaka an’imerina. Hihavao araka izany ny tolotra ara-pizahantany eto Antananrivo miaraka amin’izany », hoy ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Mitentina 110 082 000 000 ariary ny teti-bolan’ity tetik’asa lalan-kely III ity izay vatsian’ny AFD sy ny Vondrona Eropeanina. « Hizara telo mazava tsara ny tetik’asa izay hifantoka betsaka amin’ny fotodrafitr’asa hahafahana mivezivezy sy ny foto-drafitr’asa fidiovana sy fanadiovana ary ireo fotodrafitr’asa nosokajiana ho entina miara-miaina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalankely, lakandrano, tohatra, tetezana an-tongotra, tamboho, paompin-drano, toerana fanasan-damba, trano fidiovana, tranomboky, kianja filalaovana basikety ary toerana maitso isan-karazany », hoy ny fanazavana avy ao amin’ny Kaominina.

Izany rehetra izany dia entina indrindra ho fanatsarana ny tolotra manodidina ny fizahan-tany eto Antananarivo. Anisan’ny antony iray mahatonga ny fahavitsian’ny mpizaha tany ny faharatsian’ny lalana sy ny fahadiovana ka tokony hiitatra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izany hetsika izany raha te hanatratra ny tanjona ambony indrindra.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire