Fianianan’ny kaomisera ara-barotra vaovao eo anivon’ny Ministera
Ny varotra no isan’ny asa be mpanao sy mivelatra indrindra eto Madagasikara. Manana Minisitera manokana izany sehatra izany mba hampiodina sy hanatsara azy hatrany dia ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana. Nanatanetraka fianianana ireo kaomisera ara-barotra miisa 26 andiany faha sivy misalotra ny anarana MADIO rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny 24 volana teny amin’ny « Ecole Nationale d’Administration de Madagascar (ENAM) ».
Testy amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy no nanatanetrahana izany. Hanatevin-daharana ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana eo amin’ny asa fanaraha-maso sy fandrindrana ny sehatra ara-barotra izy ireo araka izany. Manana anjara toerana goavana eo amin’ny lafiny ara-barotra ny fisian’ireo kaomisera sy ireo mpanara-maso ireo hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao.
Miantoka ny fiarovana ny mpanjifa manoloana ny entana tsy ara-dalàna ary miantoka ny fandrindrana ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro ihany koa izy ireo ao anaty fifaninanana madio eo amin’ny tsena anatiny hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Ny fanamboarana sy fampiharana lalàna hifehezana ny tsena anaty, hitandroana ny fifaninanana madio anivon’ireo orinasa, ary hiarovana ny voninahitry ny firenena eo anivon’ireo vondrona ara-barotra iraisam-pirenena no iandrasana any amin’izy ireo araka izany.
Nicole Rafalimananjara
