21 Martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia.
Andalan-tsoratra ahitana fahaiza maneho fihetseham-po izay ampiasaina tenim-pirenena iray sy fitambaram-peo sy gadona ary firindrana ny sarin-teny no antsoina hoe poezia. Ny fisian’ireo rehetra ireo no mamaritra azy ho kanto. Tsy ny rehetra anefa no afaka miangaly ny poezia na maro aza ny manan-talenta amin’izany. Asan’ny saina ny poezia ary anompanan’ny poeta hery sy fotoana mihitsy. Mila katsahina ny fomba rehetra mba hampihentana ny fanahin’ny mpamaky. Tsy ampy mantsy raha ny fo fotsiny no enti-manoratra fa tsy maintsy eo koa ny asan’ny saina ary manondraka ireo mba hamokatra zavakanto manakaiky ny lafatra. Misy amin’ny tanora Malagasy vao misandratra amin’io sehatry ny haisoratra sy ny fiantsana io ankehitriny no miezaka mampiseho ny talentany amin’ny fanaovana fampisehoana. Anisan’izany ity tetsy Analakely tao amin’ny efitrano Sandratra ity ny zoma 19 martsa lasa teo. Karazana aingam-panahy maro samihafa, toy ny resaka fitiavana sy ny fiarahamonina, ny tanindrazana sy ny sisa no navoitra tamin’izany. Anisany mahaliana olona maro tokoa ny hetsika tahaka izao. Tafiditra tao anatin’ny andro eran-tany ho an’ny poezia izany. Mbola manana ny maha izy azy ny tontolon’ny poezia amin’izao fotoana izao. Hita amin’izany mantsy fa maro ireo mbola misehatra sy liana amin’io tontolon’ny kanto io.
Fanilo Rarivoarilala
