ActualitésTsidika

Melaky : Mitady vahaolana amin’ny vidim-bary ny tompon’andraikitra

Nijery ifotony sy nitady vahaolana manoloana ny fidangan’ny vidim-bary ao Melaky ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Marihina fa afaka roa herinandro dia hiakatra ny voka-bary ao amin’ity Distrika iray ity.

« Nanoloana ny vaovao miely tao ami’nny tambajotran-tserasera ny amin’ny vidim-bary dia nirotsaka teny an-tsena sy niresaka tamin’ny tompon’andraikitra izahay. Misy ny fandraisana andraikitra atao, iarahana amin’ny tomponandraikitra ety an-toerana » hoy i Be Christophe, Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Melaky.

« 700-750 Ar ny kapoakan’ny vary gasy eto Maintirano. 600 Ar kosa ny vary nafarana. Foto-tsakafo anefa ny vary ary tsy maintsy hohanina isan’andro » hoy i Charlotte, mponina ao Maintirano. Manodidina ny 820 Ar aza ny vary gasy ao Antsahalova ; raha toa ka 800 Ariary ny any Besalampy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire