ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Fatin’ny hazan-drano maro no hita tao Tolagnaro

Nahitana tondro sy patsa be sy hazan-drano maro hafa nanodidina ny rano teo akaikin’ny toeram-pitrandrahana QMM ao Tolagnaro. Tsy maintsy nandray andraikitra ny tompon’andraiki-panjakana tao amin’ny faritra.

« Raràna aloha ny fanjonoana manodidina ny rano ao Manakana, Ambavarano, Andrakaraka. Eo ihany koa ny tsy tokony hivarotana ireo hazandrano avy amin’ity toerana ity. Miandry ny vokatry ny fanadihadihana natao taorian’ny nahitana izao tranga izao isika; aorian’izay no hisy ny hevitra horaisina » hoy ny Governoran’ny faritra Anosy. « Manahy ny fifandraisan’izao fatina trondro hita izao sy ny fisian’ity toeram-pitrandrahana ity izahay. Takiana ny hisian’ny mangaraharaha amin’izao raharaha izao » hoy ny avy ao Transparency International Initiative Madagascar, izay rantsana iray miady ami’nny kolikoly eto Madagasikara. Ny fahalotoan’ny rano no hita fa antony iray nahafaty ireto trondro ireto. Nanamafy kosa ny avy ao amin’ny QMM fa tsy misy fiatraikany amin’ny trondro ny fitrandrahana ataony.

Handray andraikitra kosa izy ireo ary hampihetsika ireo rantsana ao aminy ny amin’ny kalitaon’ny rano avoaka. Andrasana ny valin’ny fanadihadihana mahakasika ity raharaha mikasika ny tontolo iainana ity. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire