ActualitésTsidika

Avaradrano : Maro ny lesoka mbola tsy mampandroso

« Avaradrano mandroso » no tanjona, kanefa mbola betsaka ireo lesoka mila harenina vao tena handroso tokoa ity distrika ity. Mila mahay mifanantona sy mifanakalo hevitra ny mpitondra eto an-toerana sy ny vahoaka, mifampitantara ny heviny sy ny olany avy.

Samy tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana tokoa mantsy na ny vahoaka na ny mpitondra. « Mila mandray andraikitra ny vahoaka fa tsy sanatria hetsehin’ny fanjakana vao mihetsika, mila mahatsapa tena hoe te handroso aloha ny vahoaka ary izay vao handroso ny tanàna » hoy i Rakotoson, mponina ao Talata Volonondry. « Ny vahoaka tena mitaraina ary miezaka amin’ny fiainany avy fa ny mpitondra sy ny avy ao amin’ny kaominina ve mba tena mamaha ny fitarainana tokoa ? Efa in-betsaka izahay no nitaraina manoloana ny fijalianay mponina saingy tsy mbola misy ny vahaolana avy amin’ny mpitondra » hoy i Herihasina, mponina ao Ambohimanambola.

« Mila manome toky, ary manatanteraka ny toky nomeny, ny mpitondra iray na koa tsy manome toky fa tena miasa ary ny asa no hitsarana azy fa tsy sanatria ny toky betsaka tahaka ny ora-mikija fa ny asa mitsitaitaika tahaka ny erika main’andro » hoy i Laza, mpahay fiarahamonina. Manana andraikitra tokoa ny rehetra eo amin’ny fampandrosoana, ka tokony samy hiasa. Nofidiam-bahoaka ireny mpitondra ireny ary nametrahany ny fahatokisany satria ninoany fa hahavita hampandroso ny tanàna ka tokony hanaraka izay tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire