Alakamisy Ambohimangakely : Manao izay tiany atao ny filoham-pokontany
Tsy afa-po sy tsy misitraka ny fihetsika ataon’ny fokontany ny mponina ao Alakamisy Ambohimangakely. Izay fotoana tiany hivohan’ny biraom-pokontany no ataony, kanefa ny mponina mila taratasy maika avy amin’ny Fokontany.
« Izay tiany hiasana no hamoahany ny biraom-pokontany, tahaka ny tranony ilay izy kanefa asam-bahoaka no ataony, ny taratasy fanamarinam-ponenana anefa ilainay maika kanefa izy maraina tsy mivoha na hatramin’ny hariva mihitsy aza » hoy i Lahatra, mponina any an-toerana. « Tokony ho soloina rehefa tsy mahavita miasa ho an’ny vahoaka na ny tanàna aza tena maloto kanefa ny vola aloa isam-bolana eny ihany, etsy an-kilany ny tanàna maloto sy tsy misy fivoarany mihitsy » hoy i Mamy, renim-pianakaviana monina any an-toerana. « Mila mandray ny andraikitra isika vahoaka manoloana ny tsy rariny ataon’ny mpitantana iray ary zontsika mihitsy izany satria mbola isika ihany no manakarama azy ireny kanefa tsy arak’izay akory ny asa » hoy i Landy, mpahay lalàna.
Velon-taraina tokoa ny vahoaka ao Alakamisy Ambohimangakely amin’izao izay hanairana hatrany ny tompon’andraikitra handray ny asany.
Nicole Rafalimananjara
