Pérou : Nisy horohorontany mari-drefy 6 tao Lima
Nitrangana horohorontany ny alin’ny talata 22 jona lasa teo tao amin’ny renivohitr’ Pérou, sy teo amin’ny faritra hafa manodidina ny renivohitra ihany koa. Tokony ho tamin’ny 21h54 tany an-toerana no nitrangana ny fihetsehan’ny tany izay mahatratra 32 km ny halaliny raha 33 km mianatsimo atsinanana eo Mala ny nisy azy hoy ny “Centre sismologique nationale”. Nanapaka ny mety hisian’ny todra-drano any an-toerana ny tompon’andraikitra misahana ny rano. Isan’ny horohorontany natanjaka indrindra tany Lima ity indray nitoraka ity. Tsy nisy kosa ny aina nafoy nandritra izany ary mbola tsy voafaritra ny fahasimbana hoy ny mpitantana ny « Institut Géographysique » any Pérou, Hernando Tavera. Isan-taona dia tsy latsaky ny 100 ny horohorontany any Pérou.
