Nomen’ny USAID vola 40 tapitrisa Dolara i Madagasikara
Tsy mitsahatra miditra ny vola avy an ivelany. Hita tato ho ato ny famatsiam-bola omen’ny firenena avy any ivelany ho fanampiana an’i Madagasikara. Tsy efa tokon handroso amin’izay ve ny firenena e ?
Hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao. Nanome vola mitentina efa ho 40 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny USAID Madagascar ho fanampiana vonjy taitra ny any atsimon’i Madagasikara ny 23 jona lasa teo. Na dia efa betsaka aza ny tetik’asa efa hatao ho an’ny any Atsimo dia hantenaina fa hanosika hatrany izany izao famatsiam-bola izao.
Vola izay entina hamatsy ireo tetikasa tanterahan’ny mpiara-miombona antoka toy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny Sakafo Programme Alimentaire Mondial, ny UNICEF Madagascar, ary ny Catholic Relief Services. Hirariana hatrany ny mba hisian’ny mangarahara manoloana izao volabe mirara-kopana izao.
Nicole Rafalimananjara
