Mpanakanto : Iza tokoa ilay mpanakanto Oboy ?
Mpankanto nalaza tato ho ato noho ny fahatongavany eto Madagasikara i Oboy. Efa lafo avokoa ireo tapakila ho amin’ny fampisehoana ho ataony amin’ny 21 may. Betsaka anefa ireo tsy mahalala azy akory, vao haingana mihitsy aza vao naheno ny anarany. Fa iza tokoa i Oboy ?
Mihaja Ramiarinarivo no tena anaran’i Oboy. Mpanakanto Frantsay Malagasy izy ary teraka teto Madagasikara. Lehibe tany Val-de-Marne ao France kosa izy. Mpanakanto malaza eo ami’nny sehatry ny Rap ao France izy amin’izao. Ny Mumble Rap no gadona tena iangaliany sy tena nahalasa lavitra azy. Tamin’ny 2015 izy no nanomboka niroboka tao anatin’ny mozika. « Je m’en tape », izay featuring niarahany tamin’i Aya Nakamura no anisan’ny hira nanomboka nahafantaran’ny besinimaro azy. Hisy ny fampisehoana ataony amin’ny 21 may ao amin’ny Kianjan’i Mahamasina. Efa lany ny tapakila.
Maro ireo liana te hahalala bebe kokoa ny momba azy. Reharehan’i Gasikara any ivelany raha i Oboy.
Nicole Rafalimananjara
