ActualitésTatitra

Seychelles : Tontosa ny fanisana ny hazon’ny « Coco de mer »

Toerana tokana ahitana ny « coco de mer » antsoina ihany koa hoe « coco-fesse » i Seychelles. Mbola nosy roa ao aminy ihany aza no hanirian’izany dia ny nosy Mahé sy Praslin. Manoloana izany dia arovana io zava-maniry io ary isaina mba hisorohana ny fahalaniana tamingany.

Tamin’ny taona 2004 no nisy fanisana ny hazon’ny « coco de mer » farany. Nitombo 45 isa izy tamin’ity taom-panisana ity raha ny tatitra ary mahatratra 946 isa. Raha tsihiavina dia azon’ireo mpizahatany novidiana 3 Francs mahery kely io voan’ny « coco de mer » tany amin’ny taona 80 tany. Amin’izao fotoana nefa dia entitra ny fepetram-piarovana io zava-maniry mamokatra ny « noix de coco » lehibe indrindra eran-tany io. Milanja 20 kilao mantsy ny voan’ny « coco de mer » iray.

Mbola azo atao ny mividy ny voan’ny « coco de mer » rehefa milatsaka amin’ny tany izy saingy tsy maintsy manana fanomezan-dàlana. Efa mahatratra an-jatony Euros kosa ny vidiny.

Laisser un commentaire