Sabotsy Namehana : Mitaraina ireo mponina manoloana ny fomba fiasan’ireo mpitatitra amin’ny zotra H
Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mponina sy mpampiasa ny zotra H, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Ankoatra ny fiandrasana ireo taxibe maharitra ela eo amin’ny toeram-piantsonana, mbola voasivana ihany koa ireo mpandeha ary tsy tonga any amin’ny faran’ny lalana alehany ireo fiara , araka ny voalaza.
« Efa ela no nitarainana mahakasika ny fomba fiasan’ireo mpitatitra ireo fa hatreto tsy mbola nisy ny famahana ny olana sy fandraisana fepetra nataon’ny tomponandraikitra. Amin’izao fotoana, miara-mahita ny tsy rariny ataon’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ireo polisy mpandamina sy ny tomponandraikitra fa tsy misy miteny na mampitandrina azy ireo akory » hoy i Noah, mpandeha amin’ny zotra.
« Anisan’ny olana sedrain’ny mpamily ny fitohanana manerana ny faritra maro mankao an-drenivohitra sy ny faharatsian’ny lalana. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny vola miditra io tohamboivoy io, kanefa lany eny ampandehanana ny fotoana, tsy mahavita tour betsaka intsony kanefa manenjika vola ihany koa ny mpitatitra ary mitady toy ny olon-drehetra ka miainga hatrany amin’ny tomponandraikitra ambony mihitsy ny famahana io olana io » hoy i Onja, mpamily fiara fitateram-bahoaka.
Raha ny zava-misy niseho tao an-tampontsena, Sabotsy Namehana moa, filaharambe no niainan’ireo mpandeha taxi be zotra H. tsy tonga hatrany Andravoahangy ihany koa ireo zotra fa nijanona hatreo Analamahitsy. Miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny filohan’ny koperativa sy ny tomponandraikitra samihafa araka izany ny mpandeha.
