Pakistan : olona 12 maty vokatry ny fipoahana teo akaikin’ny biraon’ny kandinda hirotsaka ho fidiana
Olona maherin’ny 12 no matry ary am-polony hafa no naratra mafy vokatry ny fipoahana niseho, teo akaikin’ny birao fiasan’ny kandida hirotsaka ho fidiana ho solombavambahoaka ; ny alarobia teo tany Pakistan. Ny andron’ny talata, mialohan’ity fipoahana ity, izany hoe ny andro farany fanaovana ny fampiekezan-kevitra mialohan’ny fifidianana, dia efa nisehoana endrika herisetra samihafa tao amin’ny faritry Pishin, manodidina ny 50km any avaratr’i Quetta. Kandida miisa roa no naratra nandritra ireo fifandonana tamin’izany tao amin’ity renivohitra ity ary olona am-polony hafa no voaroba sy voatafika nanerana ny firenena. Anisan’ny nanamarika ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka ity, tao Pakistan, ny herisetra. Kandida maro no lasibatra tao anatin’izany.
