ActualitésTsidika

Anjeva : Nitohy tao Imerikiasinina ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra

Nitohy tao amin’ny fokontany Imerikiasinana indray ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, ataon’ny tomponandraikitry ny kaominina Anjeva gara. Tahaka ireo efa fanao mahazatra, maro ireo zava-bita ho an’ny fampandrosoana eny ifotony nandritra izany.

« Nisy ny fifanakalozana hevitra tamin’ireo mponina sy nampahafantatra azy ny asa hatao ao amin’ny fokontany. Ankoatra izay, napetraka ireo komity isan-tsokajiny hanampy ny efa mijoro ao an-toerana. Ary tahaka ny efa fanao isaky ny fandehanana ifotony dia nametahana jiro manazava ny tanàna ihany koa ny faritra » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana. ,

« Nampiavaka ny fokontany notsidihina ity, dia nanolotra tsato-by miisa roa ho an’ny tanora eny an-toerana, ampiasaina eo amin’ny kianja filalaovam-baolina kitra ao amin’ny fokontany; izay fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Tannerie d’Anjeva izay tolorana fisaorana » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe ho an’ny isam-pokontany ny fandehanana ifotony tahaka izao. Mahazo ny anjara fampandrosoana tandrify azy avokoa ny sehatra rehetra. Izany hetsika izany moa no atao dia mba hisian’ny fampandrosoana isam-potony hatrany.

Laisser un commentaire