Maroc : Nahitana dian-tongotr’olombelona efa tamin’ny 100.000 taona lasa
Dian-tongotra maherin’ny 80 no hitan’ny mpikaroka tany amin’ny morontsiraka avaratr’i Maroc, tany Larache, 90km any atsimon’i Tanger. Araka ny fahitan’ireo mpikaroka azy, sokajiana ho anisan’ny dian-tongotra tranainy indrindra ireto hita ireto, izay manodidina ny 100.000 taona teo ho eo. Olona dimy eo ho eo no namela ireo dian-togotra ireto, nisy an’ankizy izany. Namakivaky tora-pasika ireto andian’olona ireto, ho any an-dranomasina. Heverina ho nitady sakafo na akorandriaka izy ireo ary mety ho mpihaza na mpanjono izy ireo. Anisan’ny vakako arovana amin’izao fotoana moa ity dian’olombelona ity satria voasokajy ho nanamarika an’i Afrika avaratra sy ny atsimon’i Méditerranée , indrindra ny tantaran’olombelona tany an-toerana.
