Islande : Fanintelony izao no nipoahan’ny volkano tao anatin’ny roa volana
Nisehoana fipoahana volkano indray tao amin’ny renivohitra Reykjanes, any atsimo andrefan’i Islande. Ity no fipoahana volkano fahatelo niseho tao anatin’ny roa volana izao. Tao amin’ny tanàna iray avaratr’i Grindavik, izay tanàna kely honenan’olona miisa 4.000, ireto farany izay efa nafindra toerana ho fitandrovana ny ain’izy ireo ny volana novambra 2023. Omaly alakamisy maraina tao amin’io toerana io ihany, manodidina ny tamin’ny 5ora maraina ; nihovitra ny tany ary nihamafy hatrany izany. Afaka 30minitra, nisy ny fipoahana tany an-toerana. Marihina moa fa tao amin’izany faritra izany ihany no foibe nisy ny fipoahana volakno niseho ny 18 desambra 2023. Anisan’ny firenena ahitana volkano betsaka indrindra any Europe i Islande. Miisa 33 ireo volkano voasokajy ho mbola ahiana hifoha any an-toerana.
