Ouganda : « Parc national Queen Elizabeth » isan’ireo valan-javaboahary lehibe indrindra ao amin’ny firenena
Tsy any Royaume-Uni no misy ny « Parc national Queen Elizabeth » fa ao atsimo andrefan’i Ouganda. Eo anelanelan’ny farihy Edouard sy George izay ampifandraisin’ny lakandranon’i Kazinga. 380 km miala ny renivohitra Kampala kosa no misy azy.
Mamondrona faritra arovana maro io valan-javaboahary io : Kigezi Game Reserve, Kyambura Game Reserve, Katonga Wildlife Reserve ary ny Parc national des Virunga ao Congo. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa nefa ny « Parc national impénétrable de Bwindi » ao atsimo sy « Parc national Rwenzori Mountains » ary ny « Parc national de la Forêt Kibale » any avaratra.
Tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 no niandohan’ny tantaran’ny « Parc national Queen Elizabeth ». Foana noho ny « maladie du sommeil » ny tanàna tamin’izany. Navadika ho valan-javaboahary roa kosa io tanàna foana io tany amin’ny taona 1920 sy 1940. Natao hoe Lake George sy Lake Edward Game Reserves ny anaran’ny valan-javaboahary tamin’izany saingy nohon’ny fandalonan’ny mpanjakavavy Elizabeth II tao amin’ny toerana dia novaina « Parc national Queen Elizabeth » izany.
