Ambohitrimanjaka : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy ny asa fanamboaran-dalana ao Ambohitrimanjaka. Asa fanamboaran-dalana ho rarivato, izay miainga eo amin’ny sapanana Ambohitrimanjaka mankany Anosimanjaka, ataon’ny avy ao amin’ny faritra Analamanga.
« Ilaina tokoa ny foto-drafitr’asa tahaka izao noho izy manamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny mpampiasa lalana rehetra, indrindra raha ho an’ireo faritra mivoaka ny renivohitra, anisan’ny mampihena ny tohamboivoy ny fanamboaran-dalana toa izao » hoy i Haritiana, teknisianina momba ny lalana.
« Isaorana ireo tompon’andraikitra amin’ny ezaka sy ny famahana ny olana amin’ny lalana tahaka izao, manamora ny fahasahiranam-bahoaka tokoa ny tahaka izao, indrindra fa amin’ny fotoan’ny fahavaratra » hoy i Lanto, mponina ao Ambohitrimanjaka.
Anisan’ny ezaka amin’ny fiatrehana ny vanim-potoana ny orana tokoa ny fanamboarana foto-drafitr’asa tahaka izao. Ny lalana izay anisan’ny mampitaraina ny maro ny faharatsiany rehefa fahavaratra ary miteraka fatiantoka amin’ny lafin’ny maro.
Manitra Ramanantsoa
